Milay - Tononkalo Malagasy - Tsy rendrika Spica
Автор: Tsy rendrika Spica - Writer & poet from Madagascar
Загружено: 2026-01-12
Просмотров: 40
Te handefa hafatra amin'ny Facebook? / antsahoneywinner
Ekeko hoe tsy manolatra ny ratranao taloha
Saingy izany tsy ala olana hanidina fo
Tsy handraisana fitiavana sy olon-tia vaovao
Malala a, hitanao?
Ampahirato tsara aloha anie ny masonao e…
Misy tena misy ny vonona hitia sy hanaja anao
Tsy manam-pikasana ny hanampy tsilo vao
Na mbola hangaroharo ny fery anatinao
Ny olona rehetra an, aza ampitoviana amin'ilay nahasahy nandao
Samy hafa fitaizana sy fototra ijoroana izao tontolo izao
Misy nampianarina dia ao ny tonga saina
Fa ny fanajana tiana dia tsara sy ilaina
Ny ankosoka fitia izay namaboana anao
Azoko fa izao e…
Ny entina mamitaka dia saritsarinjavatra tsara be daholo
Taiza akia malala no nisy nanao sandoka vola ariary folo a?
Dia izay akia malala, fafao ny ranomaso
Ny fiainana antany mety ho tojo ankaso
Fa miarina, mijoro dia mitia indray
Ataovy antsaina foana hoe: ndry akia milay a
Tononkalo nosoratan'ny mpanoratra Malagasy Tsy rendrika Spica
Feon'i Antsa Honeywinner.
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео mp4
-
Информация по загрузке: