Herintsalama Rajaonarivelo - Mamy Ravatomanga: Azo heverina fa manana fifandraisana...
Автор: Real TV Madagasikara
Загружено: 2025-10-28
Просмотров: 5871
SONGADIM-BAOVAO REAL NEWS- NY VAOVAO MARINA 27 OKTOBRA 2025.
Herintsalama Rajaonarivelo- Mamy Ravatomanga: Azo heverina fa i Herintsalama Rajaonarivelo, tamin’ny maha- PCA ny BNI azy, no nahafahan’i Mamy Ravatomanga nandefa tany amin’ny banky tao Maorisy an’ireny vola be an-tapitrisany dolara gejain’ny Fanjakana Maorisiana amin’izao ireny, hoy i Gerard Andrialemirovason. Io Praiministra io izay sady manana zom-pirenena frantsay, antony iray niadiana tamin’i Andry Rajoelina, no mbola manana « conflit d’interet » amin’i Mamy Ravatomanga, mitovy amin’ny tamin’ny andron’i Ntsay Christian ihany raha ny bambarany. Tokony hametra-pialana noho izany i Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo mba hialana amin’izao tsy fahamarinan-toerana ara-politika na « instabilité politique » izao hoy ity Tale Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha ity.
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео mp4
-
Информация по загрузке: