Naly Rakotofiringa - Fikasana (Discomad original 78 tours) - Madagascar.
Автор: Kapila 78 tours fananam-pirenena
Загружено: 2024-11-20
Просмотров: 3395
A/C : Naly Rakotofiringa.
Chant : Ludger.
Tononkira :
Izao no voady izay ataoko, tsy maintsy ho tanako:
Ho anao 'zay nametrahako ny foko mba ho namako,
Ho tia anao n' aiza n’ aiza, tsy misy fetra hoe hatraiza
Hiombo-tsento sy fifaliana manomboka eto.
Tsy hitako 'zay teny ilazana ny hafaliako,
Tiako ianao, eny tena tiako
Hanorina anio ny akanintsika mba ho paradisa
Na ho haingana, na mbola ho ela ny andro sisa.
Mivoaha sahady ny vavahady hidiran-tsika izao
Hifampitantana hiara-dia izaho sy ianao,
Tsy nofy intsony ilay fiadanana
Fa ho zaraina samy hanana
Ny tia dia tafaray amin' ny tiana.
Ho adinoiko ny lalao sy ny fiainako efa lasa,
Hery vaovao no entiko mikasa,
Haorintsika anio ny akany mba ho paradisa,
Na ho haingana na mbola ho ela ny andro sisa
Référence : Discomad 59 438.
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео mp4
-
Информация по загрузке: