Hélicoptère ampiasan’i Andry Rajoelina: Miteraka adihevitra satria mitovy @ an’ny Tafika Malagasy
Автор: Real TV Madagasikara
Загружено: 2023-10-26
Просмотров: 7507
SONGADIM- BAOVAO REAL NEWS- NY VAOVAO MARINA 26 OCTOBRE 2023
Hélicoptère ampiasan’i Andry Rajoelina: Miteraka adihevitra ny angidimby iray marika Airbus mitovy amin’ny an’ny Tafika, sy ny angidimby iray hafa misy sainam-pirenena Malagasy, ampiasain’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina hanaovana fampielezan-kevitra amin’izao. Hélicoptère marika Airbus miisa 2 mantsy no niaraka nampidirina teto Madagasikara ny volana Aprily 2023 lasa teo hoy i Serge Zafimahova. Saingy ny iray ihany, laharana 5R- MOQ marika Airbus H130, no natolotra ny Tafika Malagasy ny 20 Aprily 2023 lasa teo, raha nampidirina avy hatrany tao amin’ny hangar-n’ny mpandraharaha akaiky ny fitondrana eny Ivato kosa hoy izy ny hélicoptère marika Airbus faharoa. Mba hialan’ny ahiahy dia tokony mitondra fanazavana ny ACM hoy i Serge Zafimahova.
#madagascar
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео mp4
-
Информация по загрузке: