2/ Faune Endemique eto Madagasikara: Sokatra - Astrochelys Radiata
Автор: LEMANA Elisée
Загружено: 2024-01-11
Просмотров: 313
Sokake: Astrochelys radiata na tortue étoilée de Madagascar na tortue rayonnée, Sokatra tsara tarehy sy manja endrika indrindra maneran-tany.
Sokatra anatin’ny vondrom-pianakavian'ny biby mandady sy mikisaka amin’ny tany (reptiles) atao hoe "Testudinidae"
"Tu‘i Malila", SOKAKE Malagasy Astrochelys radiata isany nalaza eran-tany hatramin’ny taon-jato faha 18, nahatana fahavelomana hatramin’ny 188 taona tao amin’ny lapan’ny mpanjaka Tongien ao Tonga any Polynesie. Voalaza fa io sokatra Malagasy io no biby fiaseho voalohany olo manankaja ambony tonga mitsidika ao an-dapan’i Mpanjaka Tongien, isan’io ny Mpanjaka vavy Anglisy AlisabethII nanao fitsidihana tany tamin’ny taona 1953.
Ny firenena Allemand, nametraka ny sarin'ny SOKAKE Malagasy Astrochelys radiata amin’ny hajiany tamin’ny taona 1977, mety ho isany antony izany ny hatsara tarehiny sy maha vakoka tokana azy eto ambony tany.
1 300 isa ny sokatra Malagasy Astrochelys radiata miely any anaty valan-javaboahary miisa 157 maneran-tany amin’izao fotoana izao, ao Eropa ny ankamaroany.
Nokilasian’i Union Internationale pour la Conservation de la Nature (UICN) biby ahiana ho tonga ampotomotin’ny fahalaniana tamingana ny SOKAKE "astrochelys radiata", anaty lisitra annexeI n’ny CITES. Tsy azo amidy, tsy azo aondrana any ivelany araka ny lalàna manan-kery 2005 – 018, didim-panjakana 2006 – 097, didim-panjakana 2006 – 098.
210 tapitrisa taona lasa no efa nisy teto ambony tany ny Sokatra, 343 ny karazany ny, 5 amin’io no zanatany eto Madagasikara, anisan’izany ny Sokake Astrochelys Radiata. Faritra Atsimo sy Atsimo andrefana no maha vanona azy eto Madagasikara.
Fantaro fa fadin-drazan’ny foko Antandroy sy Mahafaly ny mihinana azy.
Raha mbola misy ny fandoroana na fisomparana ala, doro tanety, ny fihazana, firaisana tsikombakomba amin’ny mpanondrana sokatra antsokosoko dia hanjavona tsy ho hita eto Madagasikara ny sokatra astrochelys radiata ka ho tantara, anganoangano, arirarira no sisa ho an’ny zanaka hifandimby amin’ny harena voajanahary tokana maneran-tany misy eto amintsika.
Sokake – Astrochelys Radiata, biby zanatany na endemique eto Madagasikara
Lien Facebook: https://fb.watch/pvne92yV7T/
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео mp4
-
Информация по загрузке: