Популярное

Музыка Кино и Анимация Автомобили Животные Спорт Путешествия Игры Юмор

Интересные видео

2025 Сериалы Трейлеры Новости Как сделать Видеоуроки Diy своими руками

Топ запросов

смотреть а4 schoolboy runaway турецкий сериал смотреть мультфильмы эдисон
dTub
Скачать

Alarobia 26 Novambra 2025: NY JOBILY

Автор: Radio Oasis 106.4 Fm Madagascar

Загружено: 2025-11-25

Просмотров: 283

Описание:

Alarobia 26 Novambra 2025
NY JOBILY
Nanan-danja ho an'ny fisian'ny Isiraely amin'ny maha vahoakan'Andriamanitra azy ireo ny tany ka tsy nozaraina indray mandeha ho an'olom-bitsy ihany izany, fa tsy tsy maintsy nozaraina isam-pirenena sy isam-poko ary isam-pianakaviana (Nom. 34:13-18) mba tsy hahatonga azy ho fananan'ny mpitarika vitsivitsy ihany.

Vakio ny Lev. 25:1-5, 8-13. Inona no tanjon'ny taona sabata sy ny jobily?

Tany Egypta, dia namoy mandrakariva ny taniny ny vahoaka ary tonga mpanompon'i Farao. Tsy tahaka izany kosa ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny Isiraelita satria tiany izy ireo raha manana ny zony sy ny tombontsoany. Tsy nisy olon-kafa, ankoatra ny foko sy ny fianakaviana izay nomena ny tany hatrany am-boalohany, afaka naka izany ho an'ny tenany. Raha ny marina, araka ny drafitr'Andriamanitra, dia tsy natao hamidy amin'ny heviny ara-bakiteny mihitsy ny tany; azo natao ny nampanofa izany arakaraka ny tombambidiny izay niankina tamin'ny isan'ny taona tavela mandra-pahatonga ny jobily manaraka. Araka izany, ny havan'ny olona izay voatery "nivarotra" ny tanin-drazany dia nanana adidy ny hanavotra izany na dia tsy mbola tonga aza ny jobily (Lev. 25:25).

Manjary ahitana taratra ny toetran'Andriamanitra sy ny soatoaviny ny fizarana ny tany. Amin'ny maha-Raintsika any an-danitra Azy, dia iriny raha halala-tanana amin'ireo mahantra noho izy ny zanany ka hamela ny tanin'izy ireo hamelona azy ireny isaky ny taona fahafito. Ny taona sabata dia nampihatra ny fitsipika ao amin'ny didy momba ny Sabata amin'ny lafiny mivelatra kokoa. Tsy nanome tombambidy sy nampirisika ny filofosana amin'ny asa fotsiny ny fananana ny tany fa niantso koa ho amin'ny fanajana sy ny fanehoana halemem-panahy amin'ireo tojo olana ara-toe-karena.

Ny fitsipika mikasika ny fananan-tany dia nanome tombontsoa ny Isiraelita tsirairay ho afaka amin'ireo toe-javatra mampahory izay nolovainy na koa vokatry ny nataony, ka nahafahany nanao fiaingana vaovao teo amin'ny fiainany.

Raha ny marina, dia izany no tena ivon'ny filazantsara sy tanjona kendreny: ny hamafa ny fahasamihafana misy eo amin'ny mahantra sy ny manan-karena, ny mpampiasa sy ny mpiasa, ireo mahazo tombontsoa sy ireo fadiranovana, ka hametraka ny olona rehetra eo amin'ny toerana iray mitovy amin'ny alalan'ny fanekena fa ilaintsika tanteraka ny fahasoavan'Andriamanitra.

Indrisy anefa fa nataon'ny Isiraely tsirambina ny fitandremana ny fenitra napetrak' Andriamanitra ka tanteraka ireo fampitandremana momba ny fandroahana azy ireo hiala amin'ny tany taonjato vitsivitsy taty aoriana (2 Tant. 36:20,21).

Ahoana no ampahatsiahivan'ny fitsipika momba ny fizaran-tanin'ny Isiraelita sy ny Sabata fa mitovy isika rehetra eo imason' Andriamanitra? Ahoana no anampian'ny Sabata antsika hanao "tsia" manoloana ny fanararaotana sy ny fandrisihana tsy misy farany ny olona hamokatra sy hividy, tranga izay mahakasika ny flaraha-monina maro ankehitriny?

Alarobia 26 Novambra 2025: NY JOBILY

Поделиться в:

Доступные форматы для скачивания:

Скачать видео mp4

  • Информация по загрузке:

Скачать аудио mp3

Похожие видео

Alatsinainy 1 Desambra 2025: NY TANDINDONA SY NY TENA IZY

Alatsinainy 1 Desambra 2025: NY TANDINDONA SY NY TENA IZY

EFA NANOMBOKA NITSIKERA AN’I COLONEL MICHAEL SAHADY ( Nouveautés gasy 2025 )

EFA NANOMBOKA NITSIKERA AN’I COLONEL MICHAEL SAHADY ( Nouveautés gasy 2025 )

AIMÉ NKANU:J'AI PRIÉ POUR CARLITO ATIKA MUSICMONDAINE,NA LIA MBONGO YA DEBABA NAKOTA CHOCSTAR.SOCODA

AIMÉ NKANU:J'AI PRIÉ POUR CARLITO ATIKA MUSICMONDAINE,NA LIA MBONGO YA DEBABA NAKOTA CHOCSTAR.SOCODA

Marka 16: 15 - Jesoa no Tomon'ny Fahefana rehetra, koa inona no atahoranao?

Marka 16: 15 - Jesoa no Tomon'ny Fahefana rehetra, koa inona no atahoranao?

Alahady 30 Novambra 2025: IREO TANDINDONA AO AMIN'NY BAIBOLY

Alahady 30 Novambra 2025: IREO TANDINDONA AO AMIN'NY BAIBOLY

Toriteny 23 Novambra 2025 | Alahadin'ny mpitendry

Toriteny 23 Novambra 2025 | Alahadin'ny mpitendry

KOUFALI DAYA : LEHIBEN'NY MAFIA ETO MADAGASIKARA @ IZAO FOTOANA ...

KOUFALI DAYA : LEHIBEN'NY MAFIA ETO MADAGASIKARA @ IZAO FOTOANA ...

❌VIDIN'NY INTERNET: HANDRAY FEPETRA ENTITRA NY FANJAKANA MANOLOANA IREO OPERATEURS🚫❗

❌VIDIN'NY INTERNET: HANDRAY FEPETRA ENTITRA NY FANJAKANA MANOLOANA IREO OPERATEURS🚫❗

🎼🎧🙏MEDLEY HIRA FIDERANA meilleurs Slow évangélique 2023 (EDITION 1) (PEPE SHINE-RIJA RASOLONDR-JDAF)

🎼🎧🙏MEDLEY HIRA FIDERANA meilleurs Slow évangélique 2023 (EDITION 1) (PEPE SHINE-RIJA RASOLONDR-JDAF)

Misaotra @ zavatra rehetra -  Alahady 02 Novambra 2025

Misaotra @ zavatra rehetra - Alahady 02 Novambra 2025

Mivelona amin'ny Teniny Zoma 10 Oktobra 2025

Mivelona amin'ny Teniny Zoma 10 Oktobra 2025

Lesona 2 Q4 2025 mp4   Fahasoavana mahatalanjona   Mr Patrick Rafaliniony

Lesona 2 Q4 2025 mp4 Fahasoavana mahatalanjona Mr Patrick Rafaliniony

Mofon'aina Alatsinainy 1 Desambra 2025 Fantany ny ondriny tsirairay

Mofon'aina Alatsinainy 1 Desambra 2025 Fantany ny ondriny tsirairay

❌MISY ANDIAN'OLONA VOAKARAMAN'I RAJOELINA MANAKORONTANA NY FIRONDRANA ANKEHITRINY❌❗

❌MISY ANDIAN'OLONA VOAKARAMAN'I RAJOELINA MANAKORONTANA NY FIRONDRANA ANKEHITRINY❌❗

Marka 16: 15 - Tsy maintsy hainao ireto tantara ireto vao hainao ny mamaky ny Testamenta Taloha

Marka 16: 15 - Tsy maintsy hainao ireto tantara ireto vao hainao ny mamaky ny Testamenta Taloha

POTIKA TANTERAKA I MAMY RAVATOMANGA

POTIKA TANTERAKA I MAMY RAVATOMANGA

Quel est cet amour - DEBORAH HENRISTAL (Official video).

Quel est cet amour - DEBORAH HENRISTAL (Official video).

I Jesosy sy ny Fitoerana Masina (fizarana 3)

I Jesosy sy ny Fitoerana Masina (fizarana 3)

FILOHA TSY MANJARY i Colonel MICHAËL , MANOMBOKA MIVOAKA NY MARINA MAHAKASIKA AZY ...

FILOHA TSY MANJARY i Colonel MICHAËL , MANOMBOKA MIVOAKA NY MARINA MAHAKASIKA AZY ...

Ny drafi-panarenana ataon'Andriamanitra ho an'ny tanora

Ny drafi-panarenana ataon'Andriamanitra ho an'ny tanora

© 2025 dtub. Все права защищены.



  • Контакты
  • О нас
  • Политика конфиденциальности



Контакты для правообладателей: [email protected]