FIHIRANA FFSM 42 | HOSANA NO ASANDRATRAY (lyrics video)
Автор: Hirantsika FFSM
Загружено: 2025-12-06
Просмотров: 109
𝗙𝗜𝗛𝗜𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗙𝗦𝗠 42: 𝙷𝚘𝚜𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚘 𝚊𝚜𝚊𝚗𝚍𝚛𝚊𝚝𝚛𝚊𝚢
-" Hosana no asandratray
Ho Anao, ry Tompo Soa,
Fa ity no andro Noely,
Ka ifalianay "-
-" Izao ankehitriny izao
Dia misy filazana mahafaly
Izay lazain'ireo anjely
Avy ao an-danitra;
Fa tanteraka ny Fihavanan' Andriamanitra
Sy ny zanak'olombelona "-
"O! mihirà sy mifalia sy mihobia "
-" Voninahitra amin'ny Avo Indrindra,
Ho an'Andriamanitra Mpanjaka!
Ary Fiadanana ety ambonin'ny tany
Ho an'izay ankasitrahany "-
-" Izao tontolo izao nateran-java-tsoa,
Mihirà, miderà!
Nomena Ilay Andrian'ny Fiadanana,
Mifalia, mihobia!
Fa misy fifaliana lehibe tokoa,
Mihirà, miderà!
Ary an-danitra sy etỳ an-tany
Mifalia, mihobia."-
-" Mifalia, mihobia!
Azontsika tsy vidina re ny avo-dehibe
Mihirà, mihobia!
-" Voninahitra amin'ny Avo Indrindra,
Ho an'Andriamanitra Mpanjaka!
Ary Fiadanana ety ambonin'ny tany
Ho an'izay ankasitrahany "-
-" Izao tontolo izao,
...........ety an-tany."-
-" Voninahitra amin'ny Avo
.................ankasitrahany."-
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео mp4
-
Информация по загрузке: