Karaoke gasy MEDLEY JENERALY
Автор: Gasy Karaoke FLUO
Загружено: 2024-08-04
Просмотров: 19751
MEDLEY JENERALY
#karaokegasy #gasykaraoke #tononkira
Tononkira - Paroles - Textes
IZANY VEHIVAVY IZANY
Izany vehivavy izany
Nomeko ny hatanorako
Vao tojo azy aho
dia avy hatrany
Mihetsiketsika ny hadalako
Izany vehivavy izany
Navahako tanatin’ny maro
Fa nampifaly izy, nampitomany
Ary tena hita fa nahasaro-piaro
Tsara tarehy matoa mambabo ahy
Tsara tarehy no tsara fanahy
Tsy hitanareo nefa tsy aiza fa
eo anilako eo
Mibanjina ahy, mandray ny tanako
Manoroka ahy, miantso ny anarako
Tsy renareo, izaho nefa
toa mandre ilay feo
Teny o !
PELAGIE
Na i Pelagie, na i Mamitiana
Dia samy vehivavy, tena mahavariana
Eny samy kanto , eny samy soa
Ny momba azy ireo, voatantara avokoa
Fa i Dongadonga zanak’Ingahy Rafatra
Sady ngozabe izy, no sady koa be tratra
Tsy misy tarehy, tsy volony fa taviny
Izy ngozabe fa kaozatra ny vadiny
F’ireo olona voalazako ireo
Dia inoako fa tsy fantatrareo
Fa izaho mahalala azy tsara
Marin’izany matoa aho mitantara
DADA MALALA
Azafady ry Dada malala
fa miantso ny zanakao
Tsy fantatro ianao na mihaino
na tsy mihaino ahy ianao
Iza moa no hampita ny teniko
aminao any am-pasana any
Ny olon-drehetra nafarako,
tsy hita fa tany dia tany
Tsy nisy niverina intsony
fa dia resin-tory sy renoka
Manadino ny tsiron’ny tany
va re ka nisitaka
Te hiverina nefa tsy afaka
mihidy rahateo moa ny fasana
Kalokalo ary sisa no azoko atao
Mba hitafatafako isan’andro aminao !
Dada malala ô ô ô
Mampamangy amin’ny rehetra any
Tsy hoe sanatria re miadaladala
Ny reviko reviko ihany
O ry Dada malala ô ô
Razana ianao fa tsy olona
Raha iny hono ianao ka miverina
dia tsy anisan'ireo Fokonolona.
NY TOAKA
Ny toaka re mazana
Tena fandrika malama
Mahatonga fahotana
Ota be tsy hay tononina
Ny toaka re, indrisy
Ny soa vitany tsy nisy
Fa vao maika koa mampisy
Olana eo amin’ny fiaraha-monina
Maro be ireo mafy ady
Mbola misotro ihany,
misotro ihany
Na efa hivarina any an-kady aza
Mbola misotro o !
Tsy mety fa efa tena miankin-doha
Ka ny maraina vao mifoha
Mangovingovitra
NOFY TAFAHOATRA (JESOSY)
Andro voalohany, nahitako an’i Jesosy
Tery amin’ny tobin’ny taxibrosy tetsy Vasakosy
Avy any Mahitsy angamba izy 'zay
Na Ambohidratrimo
Ny fiara nitondra azy nirimorimo
Tonga nitsena azy daholo ireo mpino
Feno hipoka ny arabe
Samy te ahita sy te handre
Te hihaino ity Vahiny
’Zay nateraky ny Virjiny
Lahy ranjanana izy izay
Fotsifotsy hoditra tsy toa anay
Saingy ny volombavany
no nanaitra ahy
Tsy mba fohy tahaka ny ahy
Fa lavalava be
Dia nandohalika daholo ireo mpitsena
Ny sasany kosa tamin’izany toa mihenahena
Nisy nanontany mafy hoe:
Iza ty bandy ty?
Ary nisy namaly hoe izy no Kristy
Ilay zanak'i Zôzefa sy Maria
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео mp4
-
Информация по загрузке: