๐๐๐๐๐๐๐ - ๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐ (Album "Bandy Akama" / Do Sol & Be Mozik - 2004)
ะะฒัะพั: Samoela
ะะฐะณััะถะตะฝะพ: 2023-10-12
ะัะพัะผะพััะพะฒ: 20690
Fa tsy zanakโalika io
Tsy zanakโadala
Fa zana-pokonolo
Tsy nandalo akanin-jaza
Tsy nandalo sekoly
Fa tonga de olo,
Milaza ho mahavita tena, Sy mahavelon-tena
Ary mahagaga mihitsy fa io tsy mitsitsy
Tsy mahalala A,B,D, tsy mahay mamaky teny
Nefa mahita vola
Tsy mandroba ny ao an-tanana io
Tsy mandroba ny akamakama
Fa vahiny mandalo no ataony fairano
Ny asa mba tiany sy izay mba niriany
Dia ny hanao mpihira na hanao miaramila
Nefa sarotra ihany no ahavitany anโizany
Hatreto aloha de mamaky sinoa
Rehefa tsisy karama de mandroba karana
Any aminโi lery any ny kadasitry Tsaralalana
Rehefa hanaja ny baiko io dia toy ny boloky
Rehefa hanao fetsifetsy io dia mahay misoloky
Kelikely mahia fa hay Rรดsanaly
Nisy andro nahaory anโio, Fa tsy nisy na inona na inona
Dia nisy nangala teto, Fa hametraka barazy any Barikavily
Niakatra fitsarana io nisy fotoana
Fa navotsotry ny mpanao lalana, Satria tsy ampy taona
Dia nalefa teny Ambohidratrimo, Teny aminโny zaza maditra
Fa vao maika nitrifana vao maika niridana,
Fa nahazo ekipa
โLay andian-jatovo lasa andian-jiolahy
Kanjo tratranโny pra
Tsy nandalo Antanimora, tsy nandalo Nosilava
Avy hatrany de Tsiafahy
Dia nivoaka an-gazety, hatraminโny internet
Fa iaraha-mahalala โty tany tan-dalana
Tsy te-hahalala izay mihoa-pefy
Izay manao ny tsy mety
Nefa anieโฆ
Tonony sy feony : Samoรซla RASOLOFONIAINA
ะะพัััะฟะฝัะต ัะพัะผะฐัั ะดะปั ัะบะฐัะธะฒะฐะฝะธั:
ะกะบะฐัะฐัั ะฒะธะดะตะพ mp4
-
ะะฝัะพัะผะฐัะธั ะฟะพ ะทะฐะณััะทะบะต: