𝐀𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚-𝐩𝐢𝐡𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐨𝐧𝐨𝐧𝐨, 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚
Автор: MINAE Officiel
Загружено: 2025-09-22
Просмотров: 277
14 septambra 2025. Notontosaina tao Antsirabe ny atrikasa an-databatra boribory teo amin'ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka rehetra ao anatin'ny rojom-piharina ronono.
▶️Nisy ny fifanakalozan-kevitra am-pahalalahana nentin'ny rehetra, ka nodinihina sy namaritana miaraka ireo olana sy vahaolana ary asa tsy maintsy atao ho fampandrosoana ny seha-pihariana.
👌Nohamafisin’Andriamatoa Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana, HAJARISON François Sergio tao anatin’izany ny maha-zava-dehibe ny fampidirana ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny ara-dalàna, mba hahafahana manatsara ny tohana omena sy hiarovana amin’ny ankapobeny ny seha-pihariana.
▶️Aorian’ny Atrikasa dia hifandray mivantana amin’ireo mpisehatra voakasika tsirairay ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana, mba hahafahana miroso avy hatrany amin’ny fanatanterahana ny Drafitra'Asa Nasionaly.
"E𝐧𝐬𝐞𝐦𝐛𝐥𝐞, 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐬𝐟𝐨𝐫𝐦𝐨𝐧𝐬 𝐥𝐞 𝐬𝐞𝐜𝐭𝐞𝐮𝐫 𝐚𝐠𝐫𝐢𝐜𝐨𝐥𝐞”
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео mp4
-
Информация по загрузке: