Tonga teny amin’ny CAPSAT ny zandarimaria taorian’ny fisian’ny miaramila iray maty voatifitra omaly.
Автор: Real TV Madagasikara
Загружено: 2025-10-12
Просмотров: 16585
SONGADIMBAOVAO REAL NEWS - NY VAOVAO MARINA 12 OCT 2025
CAPSAT Soanierana - 9h30
Tonga nifampiresaka teny amin’ny CAPSAT ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena taorian’ny fisian’ny miaramila iray maty voatifitra omaly raha ny nambaran’ireo miaramilan’ny CAPSAT.
Tsy navelan’ireo miaramilan’ny CAPSAT hiditra tamin’ny fiara izy ireo fa nosavaina avokoa teo am-bavahady ary nasaina nandeha an-tongotra niditra ka ny miaramila no nitondra ny fiara.
Tao anaty fisavana avy eo no nirefotra tampoka ny basy ary lasa ireo zandary tonga teny an-toerana. Raha toa ka tavela tao anatin’ny toby ny fiaran’izy ireo.
Tsy nisy zandary afaka niditra intsony taorian’io raha ny fanazavana teny an-toerana.
30 minitra taorian’io tranga io, nanao fanambarana ireo miaramila avy ao amin’ny toby CAPSAT. Nambaran’izy ireo fa :
miainga eny amin’ny CAPSAT manomboka izao ny fibaikoana ny tafika an’habakabaka, an-tanety, an-dranomasina.
Horonantsary nakana ny famintinana an-tsoratra : Ny Vaovao Amitié
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео mp4
-
Информация по загрузке: